plt_tn/rev/12/11.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Nanohy niteny ilay feo mafy avy any an-danitra.

Izy ireo dia naharesy azy

"Izy ireo dia naharesy ilay mpiampanga"

tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry

Ny rà dia maneho ny fahafatesany. DH: "satria ny zanak'ondry nandatsaka ny ràny ary maty ho azy ireo"

tamin'ny teny fijoroan'izy ireo vavolombelona

Ny teny hoe: "fijoroana vavolombelona" dia afaka atao matoanteny hoe "mijoro vavolombelona." Ary izay nijoroan'izy ireo vavolombelona ihany koa dia afaka tenenina mazava tsara. DH: "amin'ny alalan'izay tenenin'izy ireo rehefa mijoro vavolombelona amin'ny hafa momba an'i Jesosy izy ireo"

na dia ho faty aza

Ireo mpino dia nilaza ny marina momba an'i Jesosy, na dia fantatr'izy ireo aza fa ireo fahavalon'izy ireo dia mety hamono azy ireo noho izany. DH: "fa mbola nijoro vavolombelona izy ireo na dia nahafantatra aza fa hahafaty azy ireo izany"

Feno fahatezerana izy

Ilay devoly dia resahina toy ny hoe daba, ary ny hatezerana dia resahina toy ny hoe zavatra mitsiranoka izay afaka atao ao anatiny. DH: "Tena tezitra mafy izy"