plt_tn/rev/05/13.md

991 B

tany an-danitra sy teto an-tany ary an-dranomasina

Izany dia midika hoe eny rehetra eny: ny fitoeran'Andriamanitra sy ireo anjely, ny fitoeran'ny olona sy ireo biby, ary ny fitoeran'ireo efa maty.

Ho an'ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana sy ho an'ilay Zanak'ondry, anie ny dera, ny laza, ny voninahitra

Afaka ampiasaina eto ny matoanteny hoe "manolotra" mba hampisehoana hoe tahaka ny ahoana ny fiderana, haja, ary voninahitra "ho an' " ilay iray izay eo amin'ny seza fiandrianana sy "ho an'ny" Zanak'ondry. DH: "Tsy maintsy manolotra fiderana, haja, ary voninahitra ho azy izay mipetraka eo ambon'ny seza fiandrianana sy ho an'ilay Zanak'ondry isika"

ary ny fahefana handidy, mandrakizay doria

Ny matoanteny hoe "manana" dia afaka ampiasaina eto mba hampisehoana hoe tahaka ny ahoana ny fahefana "ho an' " ilay iray izay mipetraka eo ambony seza fiandrianana sy "ho an' " ilay Zanak'ondry. DH: "ary hanana ny fahefana hanapaka mandrakizay doria anie izy ireo"