plt_tn/rev/05/03.md

912 B

avy an-danitra na eto an-tany na ambanin'ny tany

Izany dia midika hoe eny rehetra eny: ny fitoeran'Andriamanitra sy ireo anjely, ny fitoeran'ny olona sy ny biby, ary ny fitoeran'ireo efa maty.

Indro

"Mihainoa" na "Mifantoha amin'izay ho lazaiko anareo"

Ilay lion'ny fokon'i Joda

Fiantsoana ny lehilahy iray avy amin'ny fokon'i Joda izay nampanantenain'Andriamanitra ho lasa mpanjaka lehibe izany. DH: "Ilay iray izay antsoina hoe Lion'ny Fokon'i Joda" na "Ilay mpanjaka izay antsoina hoe Lion'ny Fokon'i Joda"

Liona

Ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe liona satria ny liona dia matanjaka tokoa.

ilay fototr'i Davida

Fiantsoana ilay taranak'i Davida izay nampanantenain'Andriamanitra ho lasa mpanjaka lehibe. DH: "ilay iray izay antsoina hoe Fototr'i Davida"

fototr'i Davida

Ny taranaka dia toy ny hoe ny fianakavian'i Davida dia hazo ary izy no fakan'io hazo io. DH: "Ny taranak'i Davida"