plt_tn/rev/04/09.md

1.3 KiB

ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana, ilay iray izay velona mandrakizay doria

Olona iray ihany izany. Ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana dia velona mandrakizay doria.

mandrakizay doria

Ireo teny ireo dia mitovy dika ary naverimberina mba ho fanamafisana.

loholona efatra amby roapolo

"loholona 24."

nampiankohoka ny tenan'izy ireo

Niankohoka tamin'ny tany izy ireo.

nanipy ny satro-boninahitr'izy ireo teo anoloan'ny seza fiandrianana

Tahaka ny fehiloha vita amin'ny sampan'oliva na ravin-javatra, notefena tamin'ny volamena. Ny satro-boninahitra tahaka izany, vita tamin'ny ravin-kazo, dia nomena ireo atleta mpandresy mba hatao eo amin'ny lohan'izy ireo. Ireo loholona dia nampiseho fa izy ireo dia manaiky ny fanapahan'ny fahefan'Andriamanitra. DH: "nanipy ny satro-boninahitr'izy ireo teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ireo mba hampiseho fa manaiky Azy izy ireo"

Tomponay sy Andriamanitray

Olona iray ihany izany, ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana.

handray ny voninahitra sy ny laza ary ny hery

Zavatra izay tsy maintsy hananan'Andriamanitra foana ireo. Noderaina mba hanana ireo dia resahina toy ny hoe mandray ireo. DH: "noderaina ho an'ny voninahiny, hajany, ary heriny" na "ho an'izay rehetra midera Azy satria be voninahitra Izy, mendrika haja, ary mahery"