plt_tn/rev/04/09.md

28 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana, ilay iray izay velona mandrakizay doria
Olona iray ihany izany. Ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana dia velona mandrakizay doria.
# mandrakizay doria
Ireo teny ireo dia mitovy dika ary naverimberina mba ho fanamafisana.
# loholona efatra amby roapolo
"loholona 24."
# nampiankohoka ny tenan'izy ireo
Niankohoka tamin'ny tany izy ireo.
# nanipy ny satro-boninahitr'izy ireo teo anoloan'ny seza fiandrianana
Tahaka ny fehiloha vita amin'ny sampan'oliva na ravin-javatra, notefena tamin'ny volamena. Ny satro-boninahitra tahaka izany, vita tamin'ny ravin-kazo, dia nomena ireo atleta mpandresy mba hatao eo amin'ny lohan'izy ireo. Ireo loholona dia nampiseho fa izy ireo dia manaiky ny fanapahan'ny fahefan'Andriamanitra. DH: "nanipy ny satro-boninahitr'izy ireo teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ireo mba hampiseho fa manaiky Azy izy ireo"
# Tomponay sy Andriamanitray
Olona iray ihany izany, ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana.
# handray ny voninahitra sy ny laza ary ny hery
Zavatra izay tsy maintsy hananan'Andriamanitra foana ireo. Noderaina mba hanana ireo dia resahina toy ny hoe mandray ireo. DH: "noderaina ho an'ny voninahiny, hajany, ary heriny" na "ho an'izay rehetra midera Azy satria be voninahitra Izy, mendrika haja, ary mahery"