plt_tn/rev/02/26.md

1.5 KiB

Ilay iray izay maharesy

Izany dia maneho an'izay rehetra mandresy. DH: "izay rehetra mahatohitra ny ratsy" na "ireo izay tsy miray hevitra amin'ny ratsy"

Hanapaka azy ireo ... hanapotehina azy ireo

Faminaniana avy ao amin'ny Testamenta Taloha momba ny mpanjakan'Israely izany, fa Jesosy nametraka azy eto ho an'ireo izay nomeny fahefana hanapaka ireo firenena.

Hanapaka azy ireo miaraka amin'ny tehim-by izy

Ny fanapahana henjana dia resahina toy ny hoe: manapaka amin'ny tehim-by. DH: "Hanapaka eo amin'izy ireo amin'ny fikapohana vy Izy"

toy ny fanorotorona vilany tany no hanapotehina azy ireo

Ny hoe: hanorotoro azy ireo dia sarisary izay maneho na 1) hamotika ireo mpanao ratsy na 2) handresy ireo fahavalo. DH: "Handresy tanteraka an'ireo fahavalony toy ny fanorotoroana vilany tany Izy"

Tahaka ny nandraisako avy amin'ny Raiko

Ny fiteny sasany dia mety mila miteny hoe inona no noraisina. Ireo mety ho dikany: 1) "Tahaka ny nandraisako fahefana avy amin'ny Raiko" na 2) Toy ny nandraisako ny kintan'ny maraina avy amin'ny Raiko.

ny Raiko

Fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra izay mamaritra ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy Jesosy.

no hanomezako azy ihany koa

Eto ny hoe: "azy" dia maneho an'ilay iray izay mandresy.

kintana maraina

Kintana mamiratra izay miseho amin'ny maraina alohan'ny fiposahan'ny masoandro. Izany dia marika fandresena.

Aoka ilay iray izay manan-tsofina hihaino

Ny fahafahana mihaino dia resahina toy ny hoe manan-tsofina. DH: "Raha manan-tsofina ianao, dia mihainoa"