# Ilay iray izay maharesy Izany dia maneho an'izay rehetra mandresy. DH: "izay rehetra mahatohitra ny ratsy" na "ireo izay tsy miray hevitra amin'ny ratsy" # Hanapaka azy ireo ... hanapotehina azy ireo Faminaniana avy ao amin'ny Testamenta Taloha momba ny mpanjakan'Israely izany, fa Jesosy nametraka azy eto ho an'ireo izay nomeny fahefana hanapaka ireo firenena. # Hanapaka azy ireo miaraka amin'ny tehim-by izy Ny fanapahana henjana dia resahina toy ny hoe: manapaka amin'ny tehim-by. DH: "Hanapaka eo amin'izy ireo amin'ny fikapohana vy Izy" # toy ny fanorotorona vilany tany no hanapotehina azy ireo Ny hoe: hanorotoro azy ireo dia sarisary izay maneho na 1) hamotika ireo mpanao ratsy na 2) handresy ireo fahavalo. DH: "Handresy tanteraka an'ireo fahavalony toy ny fanorotoroana vilany tany Izy" # Tahaka ny nandraisako avy amin'ny Raiko Ny fiteny sasany dia mety mila miteny hoe inona no noraisina. Ireo mety ho dikany: 1) "Tahaka ny nandraisako fahefana avy amin'ny Raiko" na 2) Toy ny nandraisako ny kintan'ny maraina avy amin'ny Raiko. # ny Raiko Fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra izay mamaritra ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy Jesosy. # no hanomezako azy ihany koa Eto ny hoe: "azy" dia maneho an'ilay iray izay mandresy. # kintana maraina Kintana mamiratra izay miseho amin'ny maraina alohan'ny fiposahan'ny masoandro. Izany dia marika fandresena. # Aoka ilay iray izay manan-tsofina hihaino Ny fahafahana mihaino dia resahina toy ny hoe manan-tsofina. DH: "Raha manan-tsofina ianao, dia mihainoa"