plt_tn/rev/01/09.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Jaona dia manazava ny fomba nanombohan'ny fahitany sy ireo torolalana nomen'ny Fanahy azy.

-nareo

Misolo tena an'ireo mpino ao amin'ny fiangonana fito.

izay nizara taminareo tao anatin'ny fijaliana sy fanjakana ary ny faharetana ao amin'i Jesosy

"izay nizara niaraka taminareo tao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Izaho ihany koa hijaly sy hizaka fisedrana miaraka aminareo satria an'i Jesosy isika"

noho ny tenin'Andriamanitra

"satria niteny tamin'ny hafa momba ny tenin'Andriamanitra aho"

notarihin'ny Fanahy

Jaona dia miresaka momba ny hoe voatariky ny Fanahin'Andriamanitra. DH: "notarihin'ny Fanahy aho"

tamin'ny andron'ny Tompo

andron'ny fivavahan'ireo mpino ao amin'i Kristy

mahery tahaka ny trompetra

Ilay feo dia mafy tahaka ny trompetra.

trompetra

Zava-maneno na fiantsoana ny olona mba hiangona na hivory.

ho an'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia

Ireo dia anaran-tanàna ao Asia, izay Torkia amin'izao fotoana izao.