plt_tn/psa/143/007.md

1.1 KiB

reraka ny fanahiko

"osa aho" na "kivy tanteraka aho" (UDB)

Aza manafina ny tavanao amiko

Ity dia fangatahana. "Miangavy Anao aho, aza miafina amiko" na "Aza mba miafina amiko re"

Aza manafina ny tavanao amiko

Ny mpanao salamo miteny an'i Yaveh mandà ny hanao izay angatahan'ny mpanao salamo toy ny hoe Yaveh mandà na dia ny hijery ihany ny mpanao salamo aza. DH: "Aza mandà ny hihaino ahy" na "Mba henoy re aho"

ho lasa toy ireo izay midina any an-davaka aho

"Ho tonga olona maty hafa tsotr'izao aho"

Aoka ho reko ny famindram-ponao amin'ny maraina

"Ataovy mandre ny famindramponao aho" na "Lazao ahy ny famindramponao"

amin'ny maraina

Ireo mety ho heviny dia 1) "amin'ny maraina," amin'ny fotoan izay heverin'ny olona maro fa tsara indrindra hivavahana, na 2) "isa-maraina," isan'andro.

Atoroy ahy

"Lazao ahy"

ny lalana tokony aleha

Ny mpanao salamo miteny ny fomba fiaina toy ny hoe lalana izay alehan'izy ireo. DH: "ny fomba tianao hiainako"

fa manandratra ny fanahiko aminao aho

Ireo mety ho heviny dia 1) "mivavaka aminao aho" na 2) "mino aho fa hitarika ahy sy hiaro ahy Ianao"