forked from WA-Catalog/plt_tn
24 lines
1.3 KiB
Markdown
24 lines
1.3 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
|
|
|
|
# Fihirana fiakarana
|
|
|
|
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
|
|
|
|
# Ireo izay mahatoky an'i Yaveh dia tahaka ny Tendrombohitra Ziona, tsy azo hozongozonina, maharitra mandrakizay
|
|
|
|
Ny olona izay mitoky ao amin'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe tendrombohitra Ziona. Tsy afa-mihetsika ireo tendrombohitra.
|
|
|
|
# Tahaka ireo tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema, no hiodidinan'i Yaveh ny vahoakany
|
|
|
|
Ny fiarovan'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe Izy no ireo tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema. Tendrombohitra marobe no nanodidina an'i Jerosalema, izay niaro azy amin'ny fanafihana. DH: "Tahaka ireo havoana izay manodidina an'i Jerosalema ka miaro azy, dia toy izany koa no hiarovan'i Yaveh ny vahoakany" (UDB)
|
|
|
|
# ankehitriny ary mandrakizay
|
|
|
|
Eto, ity andianteny ity dia midika "mandrakariva."
|
|
|
|
# ny tehim-piandrianan'ny faharatsiana
|
|
|
|
Eto ny tehim-piandrianan'ny faharatsiana dia maneho ny fanapahan'ny olona ratsy fanahy. DH: "olona ratsy fanahy" na "mpanapaka ratsy fanahy"
|