plt_tn/psa/125/001.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

Fihirana fiakarana

Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."

Ireo izay mahatoky an'i Yaveh dia tahaka ny Tendrombohitra Ziona, tsy azo hozongozonina, maharitra mandrakizay

Ny olona izay mitoky ao amin'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe tendrombohitra Ziona. Tsy afa-mihetsika ireo tendrombohitra.

Tahaka ireo tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema, no hiodidinan'i Yaveh ny vahoakany

Ny fiarovan'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe Izy no ireo tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema. Tendrombohitra marobe no nanodidina an'i Jerosalema, izay niaro azy amin'ny fanafihana. DH: "Tahaka ireo havoana izay manodidina an'i Jerosalema ka miaro azy, dia toy izany koa no hiarovan'i Yaveh ny vahoakany" (UDB)

ankehitriny ary mandrakizay

Eto, ity andianteny ity dia midika "mandrakariva."

ny tehim-piandrianan'ny faharatsiana

Eto ny tehim-piandrianan'ny faharatsiana dia maneho ny fanapahan'ny olona ratsy fanahy. DH: "olona ratsy fanahy" na "mpanapaka ratsy fanahy"