plt_tn/psa/124/004.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Amin'ireto andininy roa ireto ny mpanoratra dia mampitaha ireo fahavalon'Israely amin'ny tondra-drano.
# Mety efa voafafan'ny rano isika ... nanafotra antsika
Izany dia manohy fanambarana fanoharana avy amin'ny andininy teo aloha. Izany dia mamaritra vokany izay tsy niseho akory, satria tena teo anilan'izy ireo Yaveh. DH: "Tsy namafa antsika ny rano ... tsy nanafotra antsika"
# ny rano ... ny riaka ... ny rano misamboaravoara
Ireo andianteny ireo dia mitovy hevitra.
# voafafa ... nanafotra ... nahafaty
Ireo andianteny ireo dia mitovy hevitra.
# Mety efa voafafan'ny rano isika
Eto ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe tondra-drano. DH: "Mety nandresy antsika mora foana ireo fahavalontsika"
# nanafotra antsika ny riaka
Eto ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe tondra-drano izay mety hanafotra ny Israelita. DH: "mety efa nandifotra antsika ireo fahavalontsika"
# ny rano misamboaravoara nahafaty antsika
Eto ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe ony misamboaravoara izay mety handifotra ny Israelita. DH: "mety efa namotika antsika ireo fahavalontsika"