# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Amin'ireto andininy roa ireto ny mpanoratra dia mampitaha ireo fahavalon'Israely amin'ny tondra-drano. # Mety efa voafafan'ny rano isika ... nanafotra antsika Izany dia manohy fanambarana fanoharana avy amin'ny andininy teo aloha. Izany dia mamaritra vokany izay tsy niseho akory, satria tena teo anilan'izy ireo Yaveh. DH: "Tsy namafa antsika ny rano ... tsy nanafotra antsika" # ny rano ... ny riaka ... ny rano misamboaravoara Ireo andianteny ireo dia mitovy hevitra. # voafafa ... nanafotra ... nahafaty Ireo andianteny ireo dia mitovy hevitra. # Mety efa voafafan'ny rano isika Eto ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe tondra-drano. DH: "Mety nandresy antsika mora foana ireo fahavalontsika" # nanafotra antsika ny riaka Eto ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe tondra-drano izay mety hanafotra ny Israelita. DH: "mety efa nandifotra antsika ireo fahavalontsika" # ny rano misamboaravoara nahafaty antsika Eto ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe ony misamboaravoara izay mety handifotra ny Israelita. DH: "mety efa namotika antsika ireo fahavalontsika"