plt_tn/psa/124/001.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

Fihirana fiakarana

Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."

raha tsy Yaveh no teo anilantsika ... dia nitelina antsika velona izy ireo

Ity fanambarana ity dia mamaritra vokany izay tsy niseho akory, satria tena teo anilan'izy ireo Yaveh. DH: "Satria teo anilantsika Yaveh ... dia tsy afa-nitelina antsika velona izy ireo"

Raha tsy teo anilantsika Yaveh ... raha tsy Yaveh no teo anilantsika

Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra. DH: "Raha tsy ny famonjen'i Yaveh ... Rraha tsy ny famonjen'i Yaveh"

nitelina antsika velona

Izany dia sarinteny mamaritra ny fomba nahafatesan'ny Israelita amin'ny fomba hamelezan'ny biby masiaka ny biby kely kokoa mba hohanina. DH: "nahafaty antsika"

nirehitra tamintsika ny hatezerany

Eto ny "hatezeran'izy ireo" dia manondro an'ireo fahavalo izay tezitra. DH: "tezitra mafy tamintsika izy ireo!" (UDB)