plt_tn/psa/120/003.md

977 B

Ahoana ny fomba hanasaziany anareo, ary inona no mbola ho ataony anareo, ianareo izay manana lela mpandainga?

Ny mpanoratra mametraka ity fanontaniana fitarihana ity mba hanazavana izay ho ataon'Andriamanitra amin'ireo mpandainga. Ity fanontaniana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Izany no fomba hamaizan'Andriamanitra anareo, ary izany no hataony aminareo, ianareo izay manana lela mpandainga."

ianareo izay manana lela mpandainga

Eto ny "lela mpandainga" dia maneho an'ilay olona miteny lainga. DH: "ianareo izay milaza lainga"

Hosaziany amin'ny zana-tsipìkan'ny mpiady ianareo

Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra manafay mafy an'ireo mpandainga toy ny hoe mandefa zana-tsipìka amin'izy ireo. DH: "Hanafay mafy anareo, toy ny hoe nandefasany zana-tsipìkan'ny mpiady Izy"

norangitina tamin'ny vainafon'anjavidy

Izany dia manondro ny fomba hanefen'ny olona ny lohan-jana-tsipìka amin'ny afo. DH: "izay norangitina tamin'ny vainafon'anjavidy"