plt_tn/psa/110/005.md

1.2 KiB

Eo an-tananao ankavanana ny Tompo

Rehefa mandeha miady ny tompo, dia mijoro eo amin'ny tanany ankavanana Yaveh mba hanampy azy. DH: "Manampy anao ao anaty ady ny Tompo"

ny Tompo

Ny teny "Tompo" dia manondro an'i Yaveh.

Hamono Izy

Ny teny "Izy" dia manondro an'i Yaveh. Hanao ireo mpanjaka ho resy sy hofaty Izy, fa hamela ny tafiky ny mpanjaka hamono ireo mpanjaka fahavalo. DH: "Hahafaty ireo mpanjaka Izy" na "Hamela ny tafikao hamono ireo mpanjaka Izy"

mpanjaka

Izany dia manondro an'ireo fahavalo. DH: "mpanjaka fahavalo"

amin'ny androm-pahatezerany

Eto Davida miteny ny andro izay hahatezitra an'i Yaveh sy handresena ireo mpanjaka ho toy ny "androm-pahatezerany." DH: "amin'ny andron'ny fitsarana rehefa hivadika ho hatezerana ny faharetany"

hofenoiny faty ny tany fiadiana

Izany dia midika fa Yaveh hampitranga izany, fa kosa tsy hamono mivantana an'ireo olona izay maty amin'ny tanin'ady. DH: "hanao ny tanin'ady ho feno razana Izy"

hovonoiny ireo mpitarika any amin'ny firenena maro.

Izany dia midika fa Yaveh hampitranga izany, fa kosa tsy hamono mivantana an'ireo mpitarika. DH: "hahatonga an'ireo mpitarika amin'ny firenena maro hofaty Izy" na "hamela an'ireo mpitarika amin'ny firenena maro hofaty Izy"