plt_tn/psa/110/002.md

28 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Davida manohy miteny amin'ny mpanjaka.
# Yaveh hamoaka ny tehim-piandrianan'ny herinao
Eto Davida dia miteny an'i Yaveh manitatra ny faritra hanapahan'ny mpanjaka ho toy ny mamoaka ny tehim-piandrianany. DH: "Yaveh hanitatra ny faritra izay hanapahanao amin-kery"
# mandidia amin'ireo fahavalonao
"Ry mpanjaka, manapaha amin'ireo fahavalonao." Izany dia baiko lazaina amin'ny mpanjaka.
# an-kalalahana
"amin'ny safidin'izy ireo manokana." Izany dia midika fa hifidy ny hara-dia ny mpanjaka izy ireo.
# amin'ny andron'ny fahefanao
Izany dia manondro ny andro izay hitarihan'ny mpanjaka ireo tafiny ho amin'ny ady. Azo ambara mazava tsara izany. DH: "amin'ny andro izay hitarihanao ireo tafikao ho amin'ny ady" (UDB)
# ateraka amin'ny mangiran-dratsy ... tahaka ny ando
Davida mamaritra ny ando ho toy ny zazakely ateraky ny mangiran-dratsy. DH: "amin'ny maraina... tahaka ny ando"
# ateraka amin'ny vao mangiran-dratsy tahaka ny ando ho anao ny hatanoranao
Davida milaza amin'ny mpanjaka fa hanana hery tanora isa-maraina izy amin'ny alalan'ny fampitahana izany amin'ny fomba hisehoan'ny ando vao maraina isan'andro. DH: "isa-maraina ianao dia ho feno hery tanora hihazonana ny tenanao tahaka ny ando miseho isa-maraina mba hanamando sy hihazona ny tany"