plt_tn/psa/110/002.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Davida manohy miteny amin'ny mpanjaka.

Yaveh hamoaka ny tehim-piandrianan'ny herinao

Eto Davida dia miteny an'i Yaveh manitatra ny faritra hanapahan'ny mpanjaka ho toy ny mamoaka ny tehim-piandrianany. DH: "Yaveh hanitatra ny faritra izay hanapahanao amin-kery"

mandidia amin'ireo fahavalonao

"Ry mpanjaka, manapaha amin'ireo fahavalonao." Izany dia baiko lazaina amin'ny mpanjaka.

an-kalalahana

"amin'ny safidin'izy ireo manokana." Izany dia midika fa hifidy ny hara-dia ny mpanjaka izy ireo.

amin'ny andron'ny fahefanao

Izany dia manondro ny andro izay hitarihan'ny mpanjaka ireo tafiny ho amin'ny ady. Azo ambara mazava tsara izany. DH: "amin'ny andro izay hitarihanao ireo tafikao ho amin'ny ady" (UDB)

ateraka amin'ny mangiran-dratsy ... tahaka ny ando

Davida mamaritra ny ando ho toy ny zazakely ateraky ny mangiran-dratsy. DH: "amin'ny maraina... tahaka ny ando"

ateraka amin'ny vao mangiran-dratsy tahaka ny ando ho anao ny hatanoranao

Davida milaza amin'ny mpanjaka fa hanana hery tanora isa-maraina izy amin'ny alalan'ny fampitahana izany amin'ny fomba hisehoan'ny ando vao maraina isan'andro. DH: "isa-maraina ianao dia ho feno hery tanora hihazonana ny tenanao tahaka ny ando miseho isa-maraina mba hanamando sy hihazona ny tany"