plt_tn/psa/098/007.md

1.0 KiB

Aoka hihiaka ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy

Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe olombelona afaka mihiaka ho an'Andriamanitra ny ranomasina. DH: "Aoka izany ho toy ny hoe mihiaka ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy"

izao tontolo izao sy izay rehetra monina ao aminy

Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe izao tontolo izao no olombelona. DH: "ary aoka izao tontolo izao sy izay rehetra ao aminy hihiaka"

Aoka ny renirano hiteha-tanana, ary aoka ny tendrombohitra hihiaka fifaliana

Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe olona afaka hiteha-tanana sy hihiaka ny renirano sy ny tendrombohitra. DH: "Aoka izay ho toy ny hoe miteha-tanana ny renirano ary ny tendrombohitra nihiaka fifaliana"

izao tontolo izao ... ireo firenena

Ireo andianteny ireo dia sarinteny ho an'ny "vahoakan'izao tontolo izao" ary "ny vahoaka izay monina any amin'ireo firenena"

ireo firenena amin'ny hitsiny

"hitsara ireo firenena amin'ny fahitsiana Izy"

amin'ny hitsiny

"amim-pahitsiana" na "mampiasa ny miralenta ho an'ny olon-drehetra"