plt_tn/psa/098/001.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

fihiram-baovao

fihirana izay tsy mbola nohiraina hatramin'izay. Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 96:1.

ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina

Ny teny "tanana ankavanana" sy "sandry masina" dia manondro ny herin'i Yaveh. miara-manamafy ny haben'ny heriny ireo. DH: "ny heriny tena lehibe"

nanome fandresena Azy

Ireo mety ho heviny dia 1) "namela Azy handavo ireo fahavalony" na 2) "namela Azy hanavotra ny vahoakany"

tanany ankavanana

ny tanany mahery sy kinga kokoa

sandriny masina

Eto ny "sandry" dia sarinteny ho an'ny fahefana. DH: "ny fahefana izay Azy irery ihany"

Nampahafantatra ny famonjeny

Ny anarana "famonjena" dia azo adika amin'ny matoanteny "mamonjy." DH: "nampiseho ny olona fa man=monjy ny olony Izy"

nampiseho ny fahitsiany tamin'ireo firenena rehetra

Ny anarana "fahitsiana" dia azo adika amin'ny matoanteny "mahitsy." Ny teny "firenena" dia sarinteny ho an'ny "vahoaka izay monina any amin'ireo firenena rehetra." DH: "nampiseho ny vahoaka izay monina any amin'ireo firenen-drehetra fa mahitsy Izy"