plt_tn/psa/094/003.md

949 B

Mandra-pahoviana ny ratsy fanahy, ry Yaveh, mandra-pahoviana ny ratsy fanahy no hiravoravo?

Ny mpanao salamo mamerimberina ny fanontaniana mba hampisehoana fa tsy faly amin'ny fotoana amelan'i Yaveh ny ratsy fanahy hifaly. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Efa niandry ela loatra Ianao ry Yaveh; efa niandry ela loatra Ianao mba hampitsahatra ny ratsy fanahy amin'ny fifaliana."

ny ratsy fanahy no hiravoravo

Ny antony hiravoan'ny ratsy fanahy dia azo ambara mazava tsara. DH: "ny ratsy fanahy no hiravoravo satria tsy mba manafay azy ireny mihitsy Ianao amin'ireo asa ratsy ataony"

izy ireo

"ireo rehetra izay manao ratsy"

Mandraraka ny teny fiavonavonany izy ireo

Ny mpanao salamo manoratra ny filazan'ny ratsy fanahy toy ny hoe rano araraka ny tenin'izy ireo.

izay rehetra manao ratsy dia mieboebo avokoa

"izay rehetra manao ny ratsy mirehareha momba ireo asa ratsiny sy ny fihetsiny"