plt_tn/psa/091/003.md

20 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fa Izy no hamonjy anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy amin'ny areti-mandoza mahafaty
Ny teny izay najanona dia azo apetraka. DH: "Fa Andriamanitra hamonjy anao amin'ny fandriky ny mpihaza ary Izy hamonjy anao amin'ireo areti-mandringana mahafaty"
# ny fandriky ny mpihaza
"amin'ny fandrika izay novelarin'ny mpihaza hisamborana anao"
# Handrakotra anao amin'ny elany Izy, ary ao ambany elany no hahitanao fialofana
Ny fiarovan'Andriamanitra eto dia tondroina ho "elatra" izay ampiasain'ny vorona handrakofana ny zanany amin'ny loza. "Handrakotra anao amin'ny elany" sy "ambany elany" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. DH: "Hiaro anao Izy"
# Ny fahamarinany no ampinga sy fiarovana
Ny fahamarinan'Andriamanitra eti dia voatondro ho "ampinga" izay afaka miaro olona izay miankina aminy. DH: "Azonao itokisana hiaro anao Izy"
# fiarovana
Tsy misy mahalala tsara izay tena dikan'io teny io. Ireo mety ho heviny dia 1) ampinga kely lanjain'ny sandry izay nampiasain'ny miaramila hiarovan-tena amin'ny zana-tsipìka sy sabatra na 2) rindrim-bato alahatra boribory izay ahafahan'ny miaramila miafina sy mandefa zana-tsipìka.