plt_tn/psa/090/003.md

1.1 KiB

Ianao mampody ho vovoka ny olona

Izany midika fa tahaka ny naharin'Andriamanitra ny lehilahy voalohany ihany, dia Adama, avy tamin'ny tany, no hampodian'Andriamanitra ny vatan'olombelona ho tany indray aorian'ny hafatesan'izy ireo. DH: "Ampodianao ho vovoka ny olona rehefa maty"

mampody ny olona

Eto ny "olona" midika ny olombelona amin'ny ankapobeny.

Miverena, ianareo ry taranak'olombelona

"Miverena ho vovoka, ianareo ry taranaka" na "Modia ho tany, ianareo ry taranaka"

ianareo ry taranak'olombelona

Izany dia fomba hanndroana olombelona amin'ny ankapobeny. DH: "ianareo ry olombelona" na "ianareo ry olona"

Fa ny arivo taona eo imasonao dia toy ny omaly rehefa lasa, ary fotoana toy ny fiambenana amin'ny alina

Ny mpanoratra te ilazana fa ny fotoana ela dia ela dia toa fohy ihany amin'Andriamanitra. DH: "heverinao ho mitovy amin'ny andro iray, na ora vitsy sy fohy amin'ny alina any amin'ny lasa ny arivo taona" na "Na dia ny arivo taona aza tsy fotoana ela aminao"

ny arivo taona

"1.000 taona"

eo imasonareo

Eto ny "imaso" dia maneho fisainana na hevitra. DH: "aminao"