plt_tn/psa/089/035.md

1.5 KiB

Efa nianiana tamin'ny fahamasinako Aho

Yaveh mampiasa ny fahamasinany ho fototry ny voadiny. Izany no fomba fampahazoana antoka fa hanao izay nampanantenainy hatao tanteraka izy.

ary haharitra toy ny masoandro eo anoloako

"ary ny seza fiandrianany dia hitohy tahaka ny masoandro eo anoloako"

ny seza fiandrianany

Eto ny "seza fiandrianany" dia maneho ny fahefana hanapaka amin'ny maha mpanjaka. Andriamanitra mampanantena fa hisy iray amin'ireo taranak'i Davida no ho mpanjaka hatrany hatrany.

haharitra toy ny masoandro eo anoloako

Andriamanitra mampitaha ny fanapahan'i Davida amin'ny amsoandro mba hanamafisana fa hisy amin'ny taranak'i Davida no hanapaka hatrany ho mpanjaka.

Hitoetra mandrakizay izany

Eto ny "izany" dia midika ny seza fiandrianan'i Davida na ny fahefany hanapaka ho mpanjaka. DH: "Hanao izany haharitra mandrakizay Aho"

mandrakizay toy ny volana

Andriamanitra mampitaha ny fanapahan'i Davida amin'ny amsoandro mba hanamafisana fa hisy amin'ny taranak'i Davida no hanapaka hatrany ho mpanjaka.

ny volana, dia ilay vavolombelona mahatoky eny an-danitra

Ny volana dia lazaina toy ny hoe olombelona izay manatrimaso an'Andriamanitra manao izany fampanantenana izany amin'i Davida. DH: "ny volana, izay tahaka ny vavolombelona mahatoky eny an-danitra"

Sela

Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1.