# Efa nianiana tamin'ny fahamasinako Aho Yaveh mampiasa ny fahamasinany ho fototry ny voadiny. Izany no fomba fampahazoana antoka fa hanao izay nampanantenainy hatao tanteraka izy. # ary haharitra toy ny masoandro eo anoloako "ary ny seza fiandrianany dia hitohy tahaka ny masoandro eo anoloako" # ny seza fiandrianany Eto ny "seza fiandrianany" dia maneho ny fahefana hanapaka amin'ny maha mpanjaka. Andriamanitra mampanantena fa hisy iray amin'ireo taranak'i Davida no ho mpanjaka hatrany hatrany. # haharitra toy ny masoandro eo anoloako Andriamanitra mampitaha ny fanapahan'i Davida amin'ny amsoandro mba hanamafisana fa hisy amin'ny taranak'i Davida no hanapaka hatrany ho mpanjaka. # Hitoetra mandrakizay izany Eto ny "izany" dia midika ny seza fiandrianan'i Davida na ny fahefany hanapaka ho mpanjaka. DH: "Hanao izany haharitra mandrakizay Aho" # mandrakizay toy ny volana Andriamanitra mampitaha ny fanapahan'i Davida amin'ny amsoandro mba hanamafisana fa hisy amin'ny taranak'i Davida no hanapaka hatrany ho mpanjaka. # ny volana, dia ilay vavolombelona mahatoky eny an-danitra Ny volana dia lazaina toy ny hoe olombelona izay manatrimaso an'Andriamanitra manao izany fampanantenana izany amin'i Davida. DH: "ny volana, izay tahaka ny vavolombelona mahatoky eny an-danitra" # Sela Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1.