plt_tn/psa/086/010.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown

# zavatra mahatalanjona
"zavatra tena soa izay mahatalanjona ahy"
# Ianao irery ihany no Andriamanitra
"Ianao irery ihany no ilay Andriamanitra"
# Ampianaro ahy ireo lalanao, ry Yaveh. Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho
Olona iray izay mankatò izay tian'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe izy mandeha amin'ny lalana na araben'Andriamanitra. DH: "Ampianaro ahy ny fahamarinanao, ry Yaveh o. Dia hankatò izay lazainao aho"
# Ampiraiso ny foko mba hanehoako fanajana amina
Eto ny "fo" dia maneho ny fisainan'ny olona iray, ny fihetseham-pony, sy ny fihetsiny. Ny fangatahana amin'Andriamanitra hanao olona hanaja Azy tanteraka dia lazaina toy ny hoe nisaratsaraka ny fon'ilay olona ka ampiraisin'Andriamanitra. DH: "Aoka aho hanaja anao amin'ny foko rehetra" na "Aoka aho hanaja Anao amin-kitsimpo"
# hidera Anao amin'ny foko manontolo aho
Eto ny "fo" dia maneho ny fihevitr'olona iray, ny fihetseham-pony , sy ny fihetsiny. DH: "Hidera Anao amin-kitsimpo tanteraka"
# hanome voninahitra ny anaranao aho
Eto ny "anarana" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "hanome voninahitra Anao aho"