plt_tn/psa/086/010.md

1.1 KiB

zavatra mahatalanjona

"zavatra tena soa izay mahatalanjona ahy"

Ianao irery ihany no Andriamanitra

"Ianao irery ihany no ilay Andriamanitra"

Ampianaro ahy ireo lalanao, ry Yaveh. Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho

Olona iray izay mankatò izay tian'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe izy mandeha amin'ny lalana na araben'Andriamanitra. DH: "Ampianaro ahy ny fahamarinanao, ry Yaveh o. Dia hankatò izay lazainao aho"

Ampiraiso ny foko mba hanehoako fanajana amina

Eto ny "fo" dia maneho ny fisainan'ny olona iray, ny fihetseham-pony, sy ny fihetsiny. Ny fangatahana amin'Andriamanitra hanao olona hanaja Azy tanteraka dia lazaina toy ny hoe nisaratsaraka ny fon'ilay olona ka ampiraisin'Andriamanitra. DH: "Aoka aho hanaja anao amin'ny foko rehetra" na "Aoka aho hanaja Anao amin-kitsimpo"

hidera Anao amin'ny foko manontolo aho

Eto ny "fo" dia maneho ny fihevitr'olona iray, ny fihetseham-pony , sy ny fihetsiny. DH: "Hidera Anao amin-kitsimpo tanteraka"

hanome voninahitra ny anaranao aho

Eto ny "anarana" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "hanome voninahitra Anao aho"