forked from WA-Catalog/plt_tn
28 lines
1.2 KiB
Markdown
28 lines
1.2 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Ity dia manomboka foto-kevitra vaovao: Asafa manambara ireo asa maherin'Andriamanitra tamin'ny tantaran'ny vahoakany.
|
|
|
|
# Andriamanitra dia mpanjakako efa hatramin'ny taloha
|
|
|
|
Ireo mety ho heviny dia 1) Asafa miteny ho solontenan'Israely: "Andriamanitra no mpanjakanay hatramin'ny naha firenena anay Israelita" na 2) "Andriamanitra, mpanjakako, dia velona eny hatramin'ny fotoana ela."
|
|
|
|
# mitondra famonjena
|
|
|
|
"manavotra olona"
|
|
|
|
# Ianao no nampisaraka ... tao anaty rano
|
|
|
|
Mety ho miteny ny fotoana nitondran'Andriamanitra an'Israely nivoaka an'i Egypta, nanasarahany ny Ranomasina Mena, nitarihany an'Israely namakivaky ny tany karankaina, sy nandiforany ny tafik'i Farao i Asafa.
|
|
|
|
# Ianao no nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao
|
|
|
|
Asafa miteny an'Andriamanitra toy ny hoe nanana vatana. "Mahery loatra Ianao ka afaka nampisy tany maina teny afovoan-dranomasina."
|
|
|
|
# ny ranomasina
|
|
|
|
"ny rano lehibe"
|
|
|
|
# Ianao no namotipotika ny lohan'ireo dragon'ny ranomasina tao anaty rano
|
|
|
|
Mety ho miteny an'i Farao sy ny tafiny toy ny hoe biby goavana an-dranomasina i Asafa. Raha mety, dia adikao ara-bakiteny ireo teny ireo. DH: "rehefa namono ny tafik'i Farao Ianao, dia tahaka ny hoe Ianao namotipotika ny lohan'ireo dragon'ny rano"
|