plt_tn/psa/074/012.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity dia manomboka foto-kevitra vaovao: Asafa manambara ireo asa maherin'Andriamanitra tamin'ny tantaran'ny vahoakany.

Andriamanitra dia mpanjakako efa hatramin'ny taloha

Ireo mety ho heviny dia 1) Asafa miteny ho solontenan'Israely: "Andriamanitra no mpanjakanay hatramin'ny naha firenena anay Israelita" na 2) "Andriamanitra, mpanjakako, dia velona eny hatramin'ny fotoana ela."

mitondra famonjena

"manavotra olona"

Ianao no nampisaraka ... tao anaty rano

Mety ho miteny ny fotoana nitondran'Andriamanitra an'Israely nivoaka an'i Egypta, nanasarahany ny Ranomasina Mena, nitarihany an'Israely namakivaky ny tany karankaina, sy nandiforany ny tafik'i Farao i Asafa.

Ianao no nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao

Asafa miteny an'Andriamanitra toy ny hoe nanana vatana. "Mahery loatra Ianao ka afaka nampisy tany maina teny afovoan-dranomasina."

ny ranomasina

"ny rano lehibe"

Ianao no namotipotika ny lohan'ireo dragon'ny ranomasina tao anaty rano

Mety ho miteny an'i Farao sy ny tafiny toy ny hoe biby goavana an-dranomasina i Asafa. Raha mety, dia adikao ara-bakiteny ireo teny ireo. DH: "rehefa namono ny tafik'i Farao Ianao, dia tahaka ny hoe Ianao namotipotika ny lohan'ireo dragon'ny rano"