plt_tn/psa/074/001.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

Maskila nataon'i Asafa

"Izany dia maskila nosoratan'i Asafa."

Maskila

Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1.

Andriamanitra o, nahoana no dia nandà anay mandrakizay Ianao?

Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Andriamanitra o, tsy nanao fahadisoana izahay, nefa dia nolavinao mandrakizay!"

Nahoana no dia mirehitra amin'ny ondrin'ny fihinanam-bilonao ny hatezeranao?

Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Izahay ilay nampanantenainao hokarakaraina, ary tsy nanao fahadisoana izahay, fa ankehitriny kosa tezitra aminay Ianao!"

ny ondrin'ny fihinanam-bilonao

Asafa miteny ny vahoakan'Israely toy ny hoe ondry. DH: "mirehitra amin'Israely, izay tahaka ny ondry fahananao ao amin'ny fihinanam-bilonao"

Tsarovy

"Asio fiheverana." Andriamanitra tsy mba manadino ny vahoakany, fa kosa ohatran'ny toa tsy mihevitra azy ireo Izy.

lovanao manokana

"Anao mandrakizay"