plt_tn/psa/060/010.md

20 lines
929 B
Markdown

# Fa Ianao kosa, Andriamanitra o, moa tsy efa nanary anay Ianao?
Napiasain'ny mpanao Salamo izany fanontaniana izany mba hanehoany ny alahelony fa toa nanary azy Andriamanitra. DH: "Nefa Andriamanitra o, tahaka ny hoe efa nanary anay Ianao." na "Andriamanitra o, tahaka ny hoe efa nahafoy anay Ianao."
# Tsy mandeha miady miaraka amin'ny tafikay Ianao
Ny fanampian'Andriamanitra ny tafik'izy ireo dia dia resahin'ny mpanao Salamo toy ny hoe mandeha hiady amin'izy ireo Andriamanitra. DH: "tsy manampy ny miaramilanay Ianao rehefa mandeha miady izahay"
# zava-poana
"tsy misy dikany"
# Handresy
"hahazo fandresena"
# hanitsakitsaka ireo fahavalonay Izy
Ny fanampian'Andriamanitra ny tafik'izy ireo handresy ireo fahavalony dia resahin'ny mpanao salamo toy ny hoe nanitsakitsaka ireo fahavalon'izy ireo Andriamanitra. DH: "hamela anay hanitsakitsaka ireo fahavalonay Izy" na "hahatonga anay handresy ireo fahavalonay Izy"