plt_tn/psa/060/010.md

929 B

Fa Ianao kosa, Andriamanitra o, moa tsy efa nanary anay Ianao?

Napiasain'ny mpanao Salamo izany fanontaniana izany mba hanehoany ny alahelony fa toa nanary azy Andriamanitra. DH: "Nefa Andriamanitra o, tahaka ny hoe efa nanary anay Ianao." na "Andriamanitra o, tahaka ny hoe efa nahafoy anay Ianao."

Tsy mandeha miady miaraka amin'ny tafikay Ianao

Ny fanampian'Andriamanitra ny tafik'izy ireo dia dia resahin'ny mpanao Salamo toy ny hoe mandeha hiady amin'izy ireo Andriamanitra. DH: "tsy manampy ny miaramilanay Ianao rehefa mandeha miady izahay"

zava-poana

"tsy misy dikany"

Handresy

"hahazo fandresena"

hanitsakitsaka ireo fahavalonay Izy

Ny fanampian'Andriamanitra ny tafik'izy ireo handresy ireo fahavalony dia resahin'ny mpanao salamo toy ny hoe nanitsakitsaka ireo fahavalon'izy ireo Andriamanitra. DH: "hamela anay hanitsakitsaka ireo fahavalonay Izy" na "hahatonga anay handresy ireo fahavalonay Izy"