plt_tn/psa/058/006.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mitanisa zavatra izay iriany atao amin'ireo olona ratsy fanahy ny mpanoratra.

Vakio ny nifin'izy ireo ... poteho ny vangin'ireo zanaka liona

Ao amin'ireo andianteny roa ireo, ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe liona, ary ny fanaovana azy ireo ho sty manan-kery hamonoana olona no lazaina toy ny hoe mamaky ny nifin'izy ireo. DH: "Alaony herin'izy ireo hamono olona. Ataovy tsy manan-kery tahaka ny liona tanora izay vaky nify sy lavo"

Avelao izy ireo hiempo tahaka ny rano raraka

Ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe lagilasy na rano. Ny tsy fisiana intsony dia lazaina toy ny hoe mitsonika na maina eo amin'ny tany maina. DH: "Ataovy manjavona tahaka ny rano miraraka izy ireo" na "Ataovy manjavona tahaka ny lagilasy izay mitsonika sy maina eo amin'ny tany izy ireo"

aoka ho tahaka ny tsy misy tendrony

"aoka ny zana-tsipìkany ho tahaka ny tsy misy tendrony"

Aoka ho tahaka ny sifotra mitsonika izy ireo ary maty

Ny tsy fisiana intsony dia lazaina toy ny hoe mitsonika sy manjavona. DH: "Aoka ny ratsy fanahy hanjavona tahaka ny sifotra mitsonika sy tsy misy intsony"

tahaka ny zaza teraka tsy tongavolan'ny vehivavy iray izay tsy mahita ny tara-masoandro mihitsy

ny zaza teraka tsy tongavolan'ny vehivavy iray izay tsy mahita ny tara-masoandro mihitsy - Ny tsy fisiana intsony dia lazaina toy ny hoe zaza izay maty nateraka. DH: "tahaka ny zazakely izay nateraka aloha loatra mba hiaina sy hahita ny tara-masoandro" na "tahaka ny zazakely izay maty nateraka"