plt_tn/psa/055/022.md

1.6 KiB

Apetraho ireo enta-mavesatra

Eto ny mpanao salamo dia miteny amin'ny olo-masina hafa.

Apetraho amin'i Yaveh ireo enta-mavesatrao

Eto ny fahoriana dia lazaina toy ny hoe ente-mavesatra izay tsy maintsy entin'ny olona. Ny fatokiana an'Andriamanitra hanampy antsika amin'ny fahoriantsika dia lazaina ho mametraka ny enta-mavesatsika aminy mba hilanjany ireo ho antsika. DH: "Atolory an'i Yaveh ireo oloanao" na "Matokia an'Andriamanitra hanampy anao amin'ireo olonao rehetra tahaka ny olona izay mitoky olona matanjaka hilanja ny entany"

hanohana anao Izy

Ny fiahiana olona iray na manampy olona amin'ny fotoana mana'olona izy dia lazaina toy ny hoe manohana azy. DH: "hiahy anao Izy" na "hanampy anao Izy"

tsy hamela ny olo-marina hangozohozo mihitsy Izy

Ny olona iray izay tandindonin-doza dia lazaina toy ny hoe mangozohozo na mitsingalamboangindina ary efea mby ho lavo. DH: "tsy hamela ny olo-marina hivembena sy ho lavo Izy" na "tsy hamela ny olo-marina ho potehina Izy"

Fa Ianao, Andriamanitra o

Miresaka amin'Andriamanitra ny mpanoratra izao.

an-davaky ny fahapotehana

Izany dia mety ho manondro ny fasana na helo.

hampidina ny ratsy fanahy any an-davaky ny fahapotehana

Izany dia maneho ny olona ho tonga amin'ny fahafatesana. DH: "hahatonga ny ratsy fanahy ho faty" na "hahatonga ny olona ho faty sy handeha any amin'ny fitoeran'ny maty"

mangetaheta rà sy ireo olona mpamitaka

"ny olona izay mandainga sy te hamono ny hafa" na "mpamono olona mpamitaka"

na dia ny antsasaky ny an'ny hafa aza

"na dia ny antsasany aza raha mbola miaina koa ny olona hafa"