plt_tn/psa/054/001.md

2.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity salamo ity dia vavaka ho an'ny famonjena.

Ho an'ny mpiventy hira

"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"

ampiarahina amin'ny lokanga

"Tokony hitendry zava-maneno misy tadiny ny olona amin'ity hira ity"

Maskila

Mety ho manondro fomba fitendry ny mozika izany

Zifita

Ireo vahoaka avy ao amin'ny tanànan'i Zifita any amin'ireo tendrombohitra Jodia, atsimo andrefan'i Hebrona.

Moa tsy nanafina ny tenany niaraka tamintsika ve i Davida?

Ity fanontaniana ity dia ampiasaina hanehoana fa zava-dehibe tokony ho fantatr'i Saoly izany. DH: "Mira-miery aminay i Davida."

Vonjeo amin'ny Anaranao aho, Andriamanitra o

Eto ny anaran'Andriamanitra dia maneho ny toetrany. Mety maneho ny fahefany manokana nagamba izany na ny fahitsiany. DH: "Vonjeo aho, Andriamanitra o, amin'ny alalan'ny herinao"

tsarao amin'ny herinao

Ny fitsarana an'i Davida eto dia maneho ny fampisehoana amin'ny vahoaka fa tsy meloka i Davida. Rehefa mampiasa ny heriny hanavotana an'i Davida Andriamanitra, dia ho fantatry ny vahoaka fa nitsara azy tsy ho meloka tokoa Andriamanitra. DH: "Amin'ny herinao, dia ampisehoy amin'ny vahoaka fa tsy meloka aho" na "Ampisehoy amin'ny vahoaka fa tsy meloka aho amin'ny alalan'ny fampiasana ny herinao hamonjena ahy"

anongilano sofina ireo tenin'ny vavako

Ny manongilan-tsofina dia maneho fihainoana. DH: "henoy ireo teny"

ireo tenin'ny vavako

Ity fomba fiteny ity dia maneho izay lazain'ny mpilaza. DH: "ireo teniko" na "izay lazaiko aminao"

mijoro hanohitra ahy

Ny fijoroana hanohitra olona iray dia maneho fivononana hamely azy na tena mamely azy mihitsy. DH: "nivonona hamely ahy" na "mamely ahy"

tsy misy indrafo

"lehilahy izay tsy manana fiantrana"

no efa manenjika ny aiko

Ny fanenjehana ny ain'ny olona iray dia maneho fitadiavana hamono azy. DH: "no efea mitady hamono ahy" na "mitady hamono ahy"

tsy mba nametraka an'Andriamanitra teo anoloany izy ireo

Ny fametrahana an'Andriamanitra ho eo anoloan'izy ireo dia maneho firaharahiana an'Andriamanitra. DH: "tsy miraharaha an'Andriamanitra izy ireo" na "mandingana an'Andriamanitra izy ireo"