# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity salamo ity dia vavaka ho an'ny famonjena. # Ho an'ny mpiventy hira "Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana" # ampiarahina amin'ny lokanga "Tokony hitendry zava-maneno misy tadiny ny olona amin'ity hira ity" # Maskila Mety ho manondro fomba fitendry ny mozika izany # Zifita Ireo vahoaka avy ao amin'ny tanĂ nan'i Zifita any amin'ireo tendrombohitra Jodia, atsimo andrefan'i Hebrona. # Moa tsy nanafina ny tenany niaraka tamintsika ve i Davida? Ity fanontaniana ity dia ampiasaina hanehoana fa zava-dehibe tokony ho fantatr'i Saoly izany. DH: "Mira-miery aminay i Davida." # Vonjeo amin'ny Anaranao aho, Andriamanitra o Eto ny anaran'Andriamanitra dia maneho ny toetrany. Mety maneho ny fahefany manokana nagamba izany na ny fahitsiany. DH: "Vonjeo aho, Andriamanitra o, amin'ny alalan'ny herinao" # tsarao amin'ny herinao Ny fitsarana an'i Davida eto dia maneho ny fampisehoana amin'ny vahoaka fa tsy meloka i Davida. Rehefa mampiasa ny heriny hanavotana an'i Davida Andriamanitra, dia ho fantatry ny vahoaka fa nitsara azy tsy ho meloka tokoa Andriamanitra. DH: "Amin'ny herinao, dia ampisehoy amin'ny vahoaka fa tsy meloka aho" na "Ampisehoy amin'ny vahoaka fa tsy meloka aho amin'ny alalan'ny fampiasana ny herinao hamonjena ahy" # anongilano sofina ireo tenin'ny vavako Ny manongilan-tsofina dia maneho fihainoana. DH: "henoy ireo teny" # ireo tenin'ny vavako Ity fomba fiteny ity dia maneho izay lazain'ny mpilaza. DH: "ireo teniko" na "izay lazaiko aminao" # mijoro hanohitra ahy Ny fijoroana hanohitra olona iray dia maneho fivononana hamely azy na tena mamely azy mihitsy. DH: "nivonona hamely ahy" na "mamely ahy" # tsy misy indrafo "lehilahy izay tsy manana fiantrana" # no efa manenjika ny aiko Ny fanenjehana ny ain'ny olona iray dia maneho fitadiavana hamono azy. DH: "no efea mitady hamono ahy" na "mitady hamono ahy" # tsy mba nametraka an'Andriamanitra teo anoloany izy ireo Ny fametrahana an'Andriamanitra ho eo anoloan'izy ireo dia maneho firaharahiana an'Andriamanitra. DH: "tsy miraharaha an'Andriamanitra izy ireo" na "mandingana an'Andriamanitra izy ireo"