plt_tn/psa/050/001.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity salamo ity dia tonon-kira izay mampianatra ny olona,
# Salamo nataon'i Asafa
"Ity dia salamo nosoratan'i Asafa."
# Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh
Ny mpanoratra mampiasa karazana anarana telo mba hilazana an'Andriamanitra.
# niantso ny tany
Eto ny teny hoe "tany" dia manondro ny olon-drehetra monina ambonin'ny tany. DH: "niantso ny olon-drehetra"
# manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany
Ity andianteny ity dia manondro ireo torolalana miatsinanana, izay iposahan'ny masondro, ary andrefana, izay ilentehan'ny masoandro. Ny mpanoratra mampiasa ireo ilany roa ireo mba hanehoana hoe na aiza na aiza eto an-tany. DH: "na aiza na aiza eto an-tany"
# Ziona, ilay lafatra amin'ny hatsaran-tarehy
Ireo mety heviny dia 1) "Ziona, ilay lafatra amin'ny hatsaran-tarehy" na 2) "Ziona, ilay tanàna tsara tarehy indrindra."
# no notarafin'Andriamanitra
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toy ny hoe hazavana izay mitaratra. Io dia manondro an'Andriamanitra mampahafantatra ny olony momba ny voninahiny. DH: "mitaratra toy ny hazavana ny voninahitr'Andriamanitra"