plt_tn/psa/048/001.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity salamo ity dia hira momba an'i Jerosalema izay fonenan'Andriamanitra.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

Salamo nataon'ireo zanaka lahin'ny Kora

"Ity dia salamo izay nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora"

tanànan'Andriamanitsika eo an-tendrombohiny masina

Izany dia fanondroana an'i Jerosalema, izay naorina ao an-tendrombohitra Ziona.

tanànan'Andriamanitsika

Ireo mety ho heviny dia 1) "ny tanàna izay onenan'Andriamanitsika" na 2) "ny tanàna izay an'Andriamanitsika"

Avo mahafinaritra

"Avo sy mahafinaritra." Ny teny hoe "avo" dia manondro ny maha avo ny tendrombohitra Ziona.

ny fifalian'ny tany rehetra, dia ny tendrombohitra Ziona

Eto ny teny hoe "tany" dia manondro izay rehetra miaina ambonin'ny tany. Ny teny hoe "fifaliana" dia azo adika ho matoanteny. DH: "manome fifaliana ho an'ny olon-drehetra ambonin'ny tany ny tendrombohitra Ziona" na "ny olon-drehetra ambonin'ny tany mifaly noho ny tendrombohitra Ziona"

eo amin'ny ilany avaratra

Ireo mety ho hevitra amin'ity andianteny ity dia 1) manondro ny any avaratra na 2) anarana hafa ankoatra ho an'ny tendrombohitra Ziona izay midika "ny tendrombohitr'Andriamanitra"

Andriamanitra dia efa nampahafantatra ny tenany tao amin'ireo lapany ho fialofana

Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toy ny hoe toerana azo antoka izay alehan'ny olona. DH: "Andriamanitra nampahafantatra ny tenany toy ny olona iray manome fiarovana ho an'ny olona ao amin'ny lapan'ny tendrombohitra Ziona