plt_tn/psa/046/004.md

1.1 KiB

Misy ony ao, ny fikorian'izany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra

"Misy ony ao, ny fikorian'izany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra." Ny kisarisarin'ny ranomandeha dia maneho fiadanana sy fanambinana ho an'ny tanànan'Andriamanitra.

mampifaly ny tanànan'Andriamanitra

Ny andianteny "tanànan'Andriamanitra" dia manondro an'i Jerosalema, izay lazain'ny mpanoratra ho toy ny olona iray izay afaka ny ho faly. DH: "mampifaly ny vahoaka monina ao Jerosalema"

ny fitoerana masin'ireo tabernakelin'ilay Avo Indrindra

Ity andianteny ity dia mamaritra ny "tanànan'Andriamanitra." Ny "Tabernakely" ploraly dia manamafy ny hevitra fa izany dia toeram-ponenan'Andriamanitra manokana. DH: "ny toerana izay onenan'ny Avo Indrindra"

eo anivony; tsy ho tafahetsika izany ... hanavotra azy

Ny teny "azy" dia manondro ny "tanànan'Andriamanitra."

tsy ho tafahetsika izany

Eto, ny teny hoe "tafahetsika" dia teny mitovy dika amin'ny "hihovitrovitra" ao amin'ny 46:1. Ny mpanoratra miteny ny faharavan'i Jerosalema ataon'ireo tafika toy ny hoe nisy horohorontany nandrava izany. DH: "tsy hisy afaka handrava azy"