plt_tn/psa/046/004.md

20 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Misy ony ao, ny fikorian'izany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra
"Misy ony ao, ny fikorian'izany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra." Ny kisarisarin'ny ranomandeha dia maneho fiadanana sy fanambinana ho an'ny tanànan'Andriamanitra.
# mampifaly ny tanànan'Andriamanitra
Ny andianteny "tanànan'Andriamanitra" dia manondro an'i Jerosalema, izay lazain'ny mpanoratra ho toy ny olona iray izay afaka ny ho faly. DH: "mampifaly ny vahoaka monina ao Jerosalema"
# ny fitoerana masin'ireo tabernakelin'ilay Avo Indrindra
Ity andianteny ity dia mamaritra ny "tanànan'Andriamanitra." Ny "Tabernakely" ploraly dia manamafy ny hevitra fa izany dia toeram-ponenan'Andriamanitra manokana. DH: "ny toerana izay onenan'ny Avo Indrindra"
# eo anivony; tsy ho tafahetsika izany ... hanavotra azy
Ny teny "azy" dia manondro ny "tanànan'Andriamanitra."
# tsy ho tafahetsika izany
Eto, ny teny hoe "tafahetsika" dia teny mitovy dika amin'ny "hihovitrovitra" ao amin'ny 46:1. Ny mpanoratra miteny ny faharavan'i Jerosalema ataon'ireo tafika toy ny hoe nisy horohorontany nandrava izany. DH: "tsy hisy afaka handrava azy"