plt_tn/psa/042/003.md

1.2 KiB

Ny ranomasoko no hany sakafoko

Ny mpanoratra manondro ny ranomasony toy ny hoe sakafo izay haniny. Izany midika fa malahelo loatra izy ka tsy afa-mihinana. DH: "Ny ranomasoko tahaka ny hanina ka tsy mihinana zavatra hafa ankoatra aho"

andro aman'alina

Ity andianteny ity dia manondro ny andro manontolo ho fanondroana ny fiandohany sy ny fiafarany. DH: "tontolo andro"

miteny amiko mandrakariva ireo fahavaloko

Izany dia fanitarana. Tsy miteny izany foana ireo fahavalony, fa mahalana ihany izy ireo no miteny izany.

Aiza izay Andriamanitrao?

Ireo fahavalon'ny mpanoratra mampiasa ity fanontaniana ity hanesoana azy ary hanehoana fa tsy mahita ny Andriamaniny mamonjy azy akory ireo izy ireo. DH: "Tsy eo akory ny Andriamanitrao hamonjy anao"

tonga ao an-tsaiko

Ity dia fomba fiteny midika hoe mahatsiaro na mihevitra ny momban'ny zavatra iray. DH: "mahatsiaro"

mandraraka ny fanahiko aho

Eto ny teny hoe "fanahy" dia manondro ny fihetseham-po. Ny mpanoratra miteny ny fanahiny toy ny hoe rano izay ararany. Ireo andianteny midika fa izy dia maneho ny ny alahelo ara-pihetseham-pony. DH: "maneho ny alaheloko aho"

fifaliana sy fiderana

Ity andianteny ity dia mampiasa teny karazany roa mba hanehoana hevitra iray. DH: "fiderana amim-pifaliana"