# Ny ranomasoko no hany sakafoko Ny mpanoratra manondro ny ranomasony toy ny hoe sakafo izay haniny. Izany midika fa malahelo loatra izy ka tsy afa-mihinana. DH: "Ny ranomasoko tahaka ny hanina ka tsy mihinana zavatra hafa ankoatra aho" # andro aman'alina Ity andianteny ity dia manondro ny andro manontolo ho fanondroana ny fiandohany sy ny fiafarany. DH: "tontolo andro" # miteny amiko mandrakariva ireo fahavaloko Izany dia fanitarana. Tsy miteny izany foana ireo fahavalony, fa mahalana ihany izy ireo no miteny izany. # Aiza izay Andriamanitrao? Ireo fahavalon'ny mpanoratra mampiasa ity fanontaniana ity hanesoana azy ary hanehoana fa tsy mahita ny Andriamaniny mamonjy azy akory ireo izy ireo. DH: "Tsy eo akory ny Andriamanitrao hamonjy anao" # tonga ao an-tsaiko Ity dia fomba fiteny midika hoe mahatsiaro na mihevitra ny momban'ny zavatra iray. DH: "mahatsiaro" # mandraraka ny fanahiko aho Eto ny teny hoe "fanahy" dia manondro ny fihetseham-po. Ny mpanoratra miteny ny fanahiny toy ny hoe rano izay ararany. Ireo andianteny midika fa izy dia maneho ny ny alahelo ara-pihetseham-pony. DH: "maneho ny alaheloko aho" # fifaliana sy fiderana Ity andianteny ity dia mampiasa teny karazany roa mba hanehoana hevitra iray. DH: "fiderana amim-pifaliana"