forked from WA-Catalog/plt_tn
20 lines
958 B
Markdown
20 lines
958 B
Markdown
# fetran'ny aiko ... ny androko sisa
|
|
|
|
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ihany amin'ny ankapobeny.
|
|
|
|
# Asehoy ahy fa mandalo aho
|
|
|
|
"Asehoy ahy ny hafohezan'ny fiainako" na "Asehoy ahy ny maha akaiky ny hafatesako"
|
|
|
|
# ny zehin'ny tanako fotsiny ihany
|
|
|
|
Ny mpanoratra miteny ny faharetany toy ny hoe azo refesina amin'ny zehin'ny tanany izany. DH: "fotoana fohy monja"
|
|
|
|
# toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny androm-piainako
|
|
|
|
Ity fampitahana ity dia manambara fa ny halavan'ny fiainan'ny mpanoratra dia fohy dia fohy ka toy tsy misy izany. Izany dia fanitarana mba hanamafisana fa tena fohy izany. DH: "ny halavan'ny fiainako dia zara raha misy"
|
|
|
|
# Tokana monja ihany tokoa ny fofonain'ny olona rehetra
|
|
|
|
Ny hafohezan'ny fiainana dia lazaina toy ny hoe arakaraka ny fotoana laniny ho an'ny olona iray amin'ny fifohana rivotra amin'ny fofonaina tokana. DH: "Ny fotoana izay hiainan'ny olombelona dia fohy tahaka ny fofonaina tokan'ny olona iray."
|