plt_tn/psa/039/004.md

958 B

fetran'ny aiko ... ny androko sisa

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ihany amin'ny ankapobeny.

Asehoy ahy fa mandalo aho

"Asehoy ahy ny hafohezan'ny fiainako" na "Asehoy ahy ny maha akaiky ny hafatesako"

ny zehin'ny tanako fotsiny ihany

Ny mpanoratra miteny ny faharetany toy ny hoe azo refesina amin'ny zehin'ny tanany izany. DH: "fotoana fohy monja"

toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny androm-piainako

Ity fampitahana ity dia manambara fa ny halavan'ny fiainan'ny mpanoratra dia fohy dia fohy ka toy tsy misy izany. Izany dia fanitarana mba hanamafisana fa tena fohy izany. DH: "ny halavan'ny fiainako dia zara raha misy"

Tokana monja ihany tokoa ny fofonain'ny olona rehetra

Ny hafohezan'ny fiainana dia lazaina toy ny hoe arakaraka ny fotoana laniny ho an'ny olona iray amin'ny fifohana rivotra amin'ny fofonaina tokana. DH: "Ny fotoana izay hiainan'ny olombelona dia fohy tahaka ny fofonaina tokan'ny olona iray."