plt_tn/psa/032/001.md

855 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

Salamo nataon'i Davida

Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.

Maskila

Mety ho manondro fomba ara-mozikaly izany.

izay voavela heloka, sy izay voasarona ny fahotany

Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Azo atao tso-drafitra izany. DH: "izay avelan'Andriamanitra ny helony sy saronany ny fahotany"

izay voasarona ny fahotany

Eto ny fahotana izay voavela dia lazaina toy ny hoe voasarona mba tsy ho hita. DH: "izay tsy nomarihina ny fahotany" na "izay noadinoina tanteraka ny fahotany"

izay tsy misy fitaka ny fanahiny

Eto ny "fanahy" dia manondro ilay olona. DH: "izay tsy misy fitaka ao aminy" na "izay marina tanteraka"