# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Salamo nataon'i Davida Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida. # Maskila Mety ho manondro fomba ara-mozikaly izany. # izay voavela heloka, sy izay voasarona ny fahotany Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Azo atao tso-drafitra izany. DH: "izay avelan'Andriamanitra ny helony sy saronany ny fahotany" # izay voasarona ny fahotany Eto ny fahotana izay voavela dia lazaina toy ny hoe voasarona mba tsy ho hita. DH: "izay tsy nomarihina ny fahotany" na "izay noadinoina tanteraka ny fahotany" # izay tsy misy fitaka ny fanahiny Eto ny "fanahy" dia manondro ilay olona. DH: "izay tsy misy fitaka ao aminy" na "izay marina tanteraka"