plt_tn/psa/030/006.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown

# Tamim-pahatokiana
Ny teny hoe "fahatokiana" dia anarana somary tsy mazava. Ny mpanoratra mampahatsiahy fotoana tamin'izy ambinina sy nahatsiaro nahatoky tena ary voaaro. DH: "Fony aho mbola nahatoky tena" na "Fony aho nahatsiaro nilamina"
# Tsy mba hangozohozo mandrakizay aho
Ny teny "hangozoho" dia sarinteny ho an'ny faharesena. DH: "Tsy hisy haharesy ahy"
# nohon'ny fankasitrahanao
Ny anarana "fankasitrahana" dia azo avadika ho matoanteny hoe "nankasitraka" na ho mpamaritoetra "tsara fanahy." DH: "fony Ianao nankasitraka ahy" na "fony tsara fanahy tamiko Ianao"
# nampitoetra ahy ho toy ny tendrombohitra mahery Ianao
Ny fiarovantenan'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe tendrombohitra mahery izy. DH: "Ianao nanao ahy ho voaaro toy ny tendrombohitra avo"
# rehefa manafina ny tavanao Ianao
Ity dia fomba fiteny. DH: "rehefa nitsahatra namonjy ahy Ianao" na "rehefa nandà ahy Ianao"
# dia ory aho
"dia natahotra aho" na "nanahy aho"
# nitady sitraka avy amin'ny Tompoko
Ny andianteny "nitady sitraka" dia midika hoe mangataka famonjena. DH: "nitalaho tainao aho mba hovonjena" (UDB)
# avy amin'ny Tompoko
Ny mpanoratra dia manondro an'i Yaveh amin'ny mpisolo anarana fahatelo. DH: "avy aminao, ry Tompoko"