plt_tn/psa/027/011.md

20 lines
1014 B
Markdown

# Ampianaro ahy ny lalanao
Ny tokony ho fitondran-tenan'ny olona iray dia lazaina toy ny hoe lalana na lalan-kely izay tokony alehan'ny olona iray. DH: "Ampianaro ahy izay tianao ho fomba fiainako" na "Ampianaro ahy ny hanao izay tianao hataoko"
# Tariho amin'ny lala-marina aho
Yaveh miaro ny mpanoratra amin'ireo fahavalony dia lazaina toy ny hoe Yaveh mitarika ny mpanoratra amin'ny lalana marina izay tsy hahatafintohina na hahalavo azy. DH: "Arovy aho"
# Aza manary ahy ho amin'ny fanirian'ireo fahavaloko
Ny anarana hoe "faniriana" dia azo avadika matoanteny. DH: "Aza avela hanatanteraka izay iriany amiko ireo fahavaloko"
# efa nitsangana hiampanga ahy
"nitsangana" dia fomba fiteny midika fa misy vavolombelona iray mijoro ao amin'ny fitsarana hanolotra fijoroana vavolombelona. DH: "efa nitsangana mba hiteny miampanga ahy"
# mifofofofo herisetra izy ireo
Eto ny herisetra dia lazaina ho toy ny zavatra azon'ny olona iray hifofofofoina. DH: "milaza izy ireo fa hanao zavatra maherisetra amiko"