plt_tn/psa/027/011.md

1014 B

Ampianaro ahy ny lalanao

Ny tokony ho fitondran-tenan'ny olona iray dia lazaina toy ny hoe lalana na lalan-kely izay tokony alehan'ny olona iray. DH: "Ampianaro ahy izay tianao ho fomba fiainako" na "Ampianaro ahy ny hanao izay tianao hataoko"

Tariho amin'ny lala-marina aho

Yaveh miaro ny mpanoratra amin'ireo fahavalony dia lazaina toy ny hoe Yaveh mitarika ny mpanoratra amin'ny lalana marina izay tsy hahatafintohina na hahalavo azy. DH: "Arovy aho"

Aza manary ahy ho amin'ny fanirian'ireo fahavaloko

Ny anarana hoe "faniriana" dia azo avadika matoanteny. DH: "Aza avela hanatanteraka izay iriany amiko ireo fahavaloko"

efa nitsangana hiampanga ahy

"nitsangana" dia fomba fiteny midika fa misy vavolombelona iray mijoro ao amin'ny fitsarana hanolotra fijoroana vavolombelona. DH: "efa nitsangana mba hiteny miampanga ahy"

mifofofofo herisetra izy ireo

Eto ny herisetra dia lazaina ho toy ny zavatra azon'ny olona iray hifofofofoina. DH: "milaza izy ireo fa hanao zavatra maherisetra amiko"