plt_tn/psa/023/004.md

970 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity salamo ity dia manohy manambara momba an'Andriamanitra miahy antsika toy ny mpiandry ondry miahy ny ondriny.

Na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho

Ny mpanoratra mamaritra olona iray mandalo fahoriana mahatsiravina tahaka ny hoe ondry mandeha amin'ny aizina sy havoana mampidi-doza. Ary mety ho very any ilay ondry na asian'ny bibidia. DH: "Na dia tahaka mandeha amin'ny aizina sy havoana mampidi-doza aza ny fiainako"

tsy hatahotra loza aho

Ny anarana hoe "loza" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "Tsy hatahotra izay zavatra hamely ahy aho"

Ianao momba ahy

Eto ny "Ianao" dia manondro an'i Yaveh.

ny tsora-kazonao sy ny tehinao no mampahery ahy

Ny tsora-kazo sy tehina maneho fiarovana satria mampiasa ireo ny mpiandry ondry hiarovana ny ondriny amin'ny loza. DH: "Tsy hatahotra aho satria Ianao miaro ahy tahaka ny mpiandry ondry miaro ny ondriny amin'ny tsora-kazo sy tehina"